1 Corinthians 3

1Ary izaho, ry rahalahy, dia tsy afaka niteny taminareo tahaka ny olona izay ara-panahy, fa kosa tahaka ny olona ara-nofo, tahaka ny zazakely ao amin’i Kristy. 2Nofahanako ronono ianareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy vonona tamin’izany ianareo; ary na ankehitriny aza dia mbola tsy vonona amin’izany ianareo.

3Satria ianareo mbola araky ny nofo. Fa na aiza misy fahasarotam-piaro sy fifandirana eo aminareo, dia tsy miaina araky ny nofo ve ianareo, ary tsy mandeha amin’ny fenitry ny olombelona? 4Fa rehefa misy iray miteny hoe: “Izaho manaraka an’i Paoly,‘’ ary ny anankiray miteny hoe: ‘’Izaho manaraka an’i Apolosy,‘’ dia tsy miaina tahaka ny olombelona ihany ve ianareo? 5Iza ary Apolosy? Iza Paoly? Mpanompo izay tamin’ny alalany no ninoanareo, izay nomen’ny Tompo asa avy.

6Izaho no namboly, Apolosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo. 7Ka noho izany, na izy izay mamboly na izy izay manondraka dia tsy misy dikany. Fa Andriamanitra no mampitombo.

8Ary izy izay mamboly sy izy izay manondraka dia iray, ary ny tsirairay dia samy hahazo ny karamany avy araka ny asany. 9Fa izahay dia mpiara-miasa amin’ Andriamanitra. Ianareo dia sahan’Andriamanitra, sy tranon’Andriamanitra.

10Araka ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy tahaka ny mpanao trano mahay, dia nametraka ny fototra aho ary hafa no manorina eo amboniny. Fa aoka ny lehilahy tsirairay hitandrina ny amin’ny fomba hanorenany eo amin’izany. 11Fa tsy misy olona mametraka fototra afa-tsy ilay iray izay napetraka, izany hoe, Jesosy kristy.

12Ankehitriny raha misy olona manorina eo ambonin’ny fototra amin’ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hazo, bozaka, na mololo, 13dia haseho ny asany, fa ny andro mazava no haneho izany. Satria haseho amin’ny afo izany. Ny afo no hitsapana ny hatsaran’ny nataon’ny tsirairay.

14Raha mitoetra ny asan’ilay olona, dia hahazo valisoa izy; 15fa raha may ny asan’ilay olona, dia ho fatiantoka izy, fa izy tenany dia ho vonjena, toy ny nitsoaka tamin’ny afo ihany.

16Tsy fantatrareo ve fa ianareo dia tempolin’ Andriamanitra ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao aminareo? 17Raha misy olona manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia hanimba izany olona izany Andriamanitra. Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, ary toy izany koa ianareo.

18Aza avela hisy olona hamita-tena. Raha misy olona eo aminareo mihevitra fa hendry izy amin’izao vanim-potoana izao, avelao izy ho lasa “adala” amin’izay mba mety ho lasa hendry izy. 19Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo amin’Andriamanitra. Satria voasoratra hoe: “Nahatratra ny hendry tao amin’ny hafetsen’izy ireo Izy.” 20Ary koa hoe: “Ny Tompo dia mahalala fa ny fihevitry ny hendry dia zava-poana.”

21Noho izany tsy misy fireharehana momban’ny olona intsony! Fa ny zava-drehetra dia anareo, 22na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy. Ny zava-drehetra dia anareo, ary ianareo dia an’i Kristy, ary Kristy dia an’Andriamanitra.

23

Copyright information for PltULB